Ampidiro aloha ny tenimiafina
Crush (ARAFE)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tena tiako ianao, marina, tsy vazivazyNy fitiavana ato am-poko, tena izy, tsy sangisangy
Tena babonao ity foko adaladala e
Tena mba mijaly fa miandry anao hikarakara e
Fa ianao aza manahy fa tena tiako foana
Fa ianao foana no ato am-poko, isam-bolana, isan-taona
Aleo mijanona ho crush fa hiafiana, na dia ngôma
Mitsiriritra no azo ataoko, rehefa tsika ilay tafihaona
Ianao efa fantatro fa tsy ho zaka mihitsy
Fa ny fiainana mitohy, tsy miondrika aho, tsy kivy
Feno sarinao ny ahy ato anaty phone
Raha ianao no olo-malaza, dia ianao ny ahy no idole
Raha mety ianao, dia ianao no alaiko ho vady
Ho tsara kolokolo sy homeko tambitamby
Ny voady izay hataoko raha ianao no zakako
Ny ditra sy ny revy hariko, soloiko anao ho vadiko
Ref:
Tiako ianao nefa tsy tsapanao
tsy haiko izay atao ka aleo hijanona amin'izao
Tiako ianao nefa tsy tsapanao
ilay fitia tsy haiko hoe ho aiza, ka aleo hijanona ho crush
Ayaayaayaayaayaayaayaayaaya
Ny akama amin'izany efa manondro molotra hoe:
"Tsy zakanao iny na mbola hiainga hatramin’ny tongotra"
Tsy menatra aho miteny fa ianao anie ilay anjely
Tsy mitsahatra ny manonofy, mandrevy anao, fa tsy sahy miteny
Marary ihany ity fo rehefa sendranao ilay miavona
Hiaretako foana izany, mbola ampiako tsiky maivana
Tsy haiko raha ianao no mahatsiaro, rehefa izaho ilay mievona
Ataoko fantatrao izany antsoina hoe fitiavana
Na tsy anjara aza ny antsika, ianao tsy miala ato anaty nofiko
Ny vavanao miteny, tiako mbola ho ren’ny sofiko
Nalahelo aho dia nikozy hoe: "Tu me manques trop"
Tsy taitra ianao, namaly hoe: "Tu me manques aussi bro"
Marary ihany ity fo, kanefa tsy hay hoe atao ahoana
Niaritra ny mafy aho, nefa izaho tsy sahy mivoana
Mafy anie ny fitiavana, io anie tsy maha bandy
Fa raha te hahazaka an’azy, mila miady, mila miafy
Ref:
Tiako ianao nefa tsy tsapanao
tsy haiko izay atao ka aleo hijanona amin'izao
Tiako ianao nefa tsy tsapanao
ilay fitia tsy haiko hoe ho aiza, ka aleo hijanona ho crush
Ayaayaayaayaayaayaayaayaaya
--------
Lien:
