JESOA MPANAZAVA (Antoko Mpihira MORIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Lakalaka ny fiainana eto an-tany
Mihodinkodina ambony ambany
Miovaova ts’isy fihatsarana izany
Fa miharatsy hatrany hatrany
Ny zavatra eto an-tany
Dia manam-petra ihany
Mamitaka tokoa
Sady tsy mahasoa

Rf.1-Mandalo avokoa
Izao rehetra izao
Fa sao dia hanenenanao
Raha mety ianao anio
Jesoa no tadidio
Ny antsony valio

Rf.2- Aza manjeny ny andro lava
Sondriana lalandava
Mitady izay sahaza
Nefa loza no hiafarana
Fa ny aizina hisava
Raha Jesoa Mpanazava
No manjaka ao anatinao

Na mahantra ianao na ory
Tsy mba manana ianteherana
Tsy misy havahany tsy akory
Fa Jesoa ‘Lay fanaperana
Omany dieny izao
Ny hoavim-piainanao
Andao hanara-dia
An’i Jesoa Kristy

Rf.1-Mandalo avokoa
Izao rehetra izao
Fa sao dia hanenenanao
Raha mety ianao anio
Jesoa no tadidio
Ny antsony valio

Rf.2- Aza manjeny ny andro lava
Sondriana lalandava
Mitady izay sahaza
Nefa loza no hiafarana
Fa ny aizina hisava
Raha Jesoa Mpanazava
No manjaka ao anatinao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Antoko Mpihira MORIA
Visites : 1187
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : faliherijaona17
Date : 08/08/2017 21:33
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0895