ATONGILANO (Amboaram-peo Ny Fahazavana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Atongilano Tompo,
Ny sofinao hihaino ahy
Mitalaho 'ty mpanompo
Mila ho reraka am-panahy

Loza maro tsy hay tohaina
Ndrisy namoizana saina
No nitranga sesilany
Efa fambara izany
Fanamparam-pahefana
No ampiasain'ny satana
Tena manjaka eto an-tany
Mankarary fo izany

Misy mpino mifandrafy
Ary dia mifanaratsy
Ka faly erý ny devoly
'Zay mangeja mampaory
Ny fiainana miharatsy
Ny olona lany vatsy
Be loatra ny fahoriana
Ry tompo aza mangina
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Amboaram-peo Ny Fahazavana
Visites : 1579
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Màrviç
Date : 17/08/2017 10:50
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0774