ANDRIAMANITRA MPITIA (Amboaram-peo Ny Fahazavana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra
Izao tontolo izao
Nomeny ny Zanany, Lahitokana
Mba tsy ho very izay rehetra mino Azy

Andriamanitra tonga nofo sy rà
Hamonjy ireo fo mania sy manadà
Mitsinjo tsy ho very, antsika olom-bery
Miantso anao ho olom-baovao

Manatona ianao, fa ho tsapanao
Ny miaraka amin'i Jesoa tia
Hasambarana doria

Tia antsika Andriamanitra
Ny zanaka nandao ny lanitra
Jesoa Kristy, nidina tety
Nahafoy ny lapan-drainy

Manatona ianao, fa ho tsapanao
Ny miaraka amin'i Jesoa tia
Hasambarana doria
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Amboaram-peo Ny Fahazavana
Visites : 1541
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Màrviç
Date : 17/08/2017 10:18
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0732