APETRAKO (Amboaram-peo Mi-Ray)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Jesoa ô apetrako Aminao ny fiainako
Ireo taraina ny alaeloko hatrizay
Itanao tsy misy miafina Aminao
Ireo tebiteby, fahoriana, vesatra

Mila ny fitiavanao izahay ety
Manantena famonjena avy Aminao
Reraka ny fo misendra fitsapana mahamay
Ka mila Anao hitantana anay

Jesoa ô tahio i dada, Neny, zandriko
Zoky malalako, ilay mpanoro hevitra ahy
Kasio ny tananao ny fony hitodika
Hatsiaro ilay fitia madio sy marina

Mila ny fitiavanao izahay ety
Manantena famonjena avy Aminao
Reraka ny fo misendra fitsapana mahamay
Ka mila Anao hitantana anay

Jesoa ô x4

Mila ny fitiavanao izahay ety
Manantena famonjena avy Aminao
Reraka ny fo misendra fitsapana mahamay
Ka mila Anao hitantana anay
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Amboaram-peo Mi-Ray
Visites : 1047
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Mi-Ray
Date : 18/02/2019 10:58
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0716