Tampoka (Aloka's Band)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Niezaka aho nampionona ny saiko
Nampanginiko ny foko
Nitomany irery tao anaty haizina

Bridge :
Ireo tadidy nialako, ny alahelo nofafaiko
Niezaka aho ny tsy hitomany na mafy aza izany...

Chorus :
Fa tena tampoka tamiko
Ny namoizanao ilay fitiavana taloha
Nefa izaho dia mbola hitraka hatrany
Na dia mafy aza izany dia nozakaiko irery ihany
Satria tiako ianao...

Na dia tsapako fa mafy
Mamela ratra ao anaty
Mino aho fa any aorina any
Tsy maintsy ho sitrana eny ihany...

Bridge :
Ireo tadidy hialako, ny alahelo hofafaiko
Mino aho f'indray andro any hiova tsiky ireo tomany...

Chorus :
Fa tena tampoka tamiko
Ny namoizanao ilay fitiavana taloha
Nefa izaho dia mbola hitraka hatrany
Na dia mafy aza izany dia nozakaiko irery ihany
Satria tiako ianao...

Ka mitsodrano anao e... Mahazoa izay irinao
Fa ny fiainako kosa e... Hovaiko vaovao
Tsy anjara ny antsika... Izay no azoko lazaina
Ka izay vitantsika e... Esory tao antsaina
Ampy izay...
Ampy izay...

A/C : Yvs
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Aloka's Band
Visites : 226
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : FivoNasandratra
Date : 12/02/2025 08:37
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
Autres titres
plus...
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1276