Ampy (Aline Kaloina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
[Verse 1]
Onenanao ny foko
Kanefa tsapako fa nisy, niova loko,
tsy toy ny taloha
ny fitiavantsika roa

Ireo adalana sangisangy,
Tiako ho averina indray,
Fa ireo no nanamamy,
ny fitiavana hatrizay

[Chorus type 1]
Ka raha sitrakao,
Andao haverina indray
Ireo fanao
Andao hamerina hifankatia,
Toy ny andro voalohany,
Izaho sy ianao,

Fa raha hoy ianao,
Hoe tsy misy intsony ny ao am-ponao,
dia ho averiko aminao indray,
Ilay fitiavana iray,
Izay nomenao ahy,

Dia ireo fotoana mamy ho ataoko,
Ampy ahy,
Ampy ahy,
Ho ataoko ampy ahy

[Verse 2]
Ireo andro mamiko rehetra,
Dia niarahako taminao,
Fa hafa ihany oa ny anilanao,
Tiako ho tsapanao izany,

[Chorus type 2]
Ka raha sitrakao,
Andao haverina indray
Ireo fanao
Andao hamerina hifankatia,
Toy ny andro voalohany,
Izaho sy ianao,

Fa tiako ianao,
Tiako ianao irery, no hitantana ahy
Hizarako ny alaheloko,
Sy ny fitiavako, mandrakizay

Fa ianao ihany no maha ...
Ampy ahy,
Ampy ahy
Ianao no ampy ahy
mmmhh...

[Interlude]

Fa ianao ihany no maha ...
Ampy ahy,
Ampy ahy
Ianao no ampy ahy
mmmhh...
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Aline Kaloina
Visites : 64
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : tsitokelyko
Date : 19/08/2024 17:18
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0768