Dia gaga (AHL (Antoko mpihira Hanitry ny Lanitra))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Dia gaga ny ankaso
Nahita ahy nitony
Tsy latsa-dranomaso
Na nitomany intsony
Satria ry Tompo tsara misinda ny toloko
Raha Ianao no anjara, zay nofidin’ny foko

2-Ho gaga koa ny vola
Raha nanalavitra ahy
Mahita ahy tsy tola
Na reraka am-panahy
Satria Jesoa malala, ny harena nitokiako
Sy vitsy mpahalala, Ianao lay nofidiako

3-Ny rofiko mikiky
Ho gaga manoloana
Ny endriko mitsiky
Toa andro lohataona
Satria ry Jesoa tiako, Ianao no tena hery
Manohana ny diako, ka zakako ny fery
--------
Lien:
Commentaires
xhiao ( 09/08/2018 16:39)
Tsy audible ve lay izy.ôtrn ef henoko @ rvm
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : AHL (Antoko mpihira Hanitry ny Lanitra)
Visites : 2054
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : HANITRYNYLANITRA
Date : 16/05/2017 18:25
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1847