Ny finoako (AFA Amboaram-peo Fiderana Ambatomanga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1)Na dia mafy ny adim-piainana
Na koa rava ireo mba fananana
Tsy hamoy fo fa eo Ianao
Tompo Andriamanitro

2)Na tsy takatro ny fisainanao
Na tsy fantatro ny hitondranao ahy
Ekeko sy tiako foana Ianao
Zoky tsy manary ahy

3)Na marary sy tra-pahoriana koa
Na dia maizina 'zany lalako
Heriko sy fiononako
Eo Aminao Jesoa

Ref: Ampianaro aho hahatoky Anao
Hiaraka Aminao mandrakizay
Ampy fitiavana
Ny miankina Aminao Jesoa
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : AFA Amboaram-peo Fiderana Ambatomanga
Visites : 1326
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Amboaram-peo Fiderana Ambatoma
Date : 22/04/2017 09:48
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0724