Ampidiro aloha ny tenimiafina
raha maty aho
G C G Raha ho avy ralala ny taona hodiako G C D Ao ambanin’ny tany tsindrian-drangolay G C G Ka vato no solon-kidoro hatoriako C G D G Dia izao re no zavatra ataonao ahy Voleo vonin-kazo eo an-dohan’ny fasako Fotsy sy mavo ary manga sy mena Aloe haniry eo mandram-pifohako Mba hanofisako ‘lay fanekena Ny fotsy fahadiovana Misy aminao tsy mba azo lotoina Toy ny orim-bato ‘zay nifanaovana Soratra velona tsy azo vonoina Ny endriny mavo ny fofony manitra Dia fivavahana ataoko any an-danitra Mba hitsinjovany anao tsy ho irery Ombany raha sendra tsy misy mpijery Ny manga ho mariky ny fihafiana ô Niaraha nihritra zava-mangidy D’ilay andro namoizan’ilay hafaliana Niarahaniaritra zava-tsy fidiny Ny mena ho mariky ny afo tsy maty Mirehitra lava ao anatin’ny foko Io ‘lay fitia, fitia tena anaty Fitia voa-kasey sy ho voatomboka loko Ny fasako ataovy ao an-drefan-tanàna Ataovy mikasika ny laka mory Soraty eo ny tenin’ny fanantenana Tsy maty aho akory fa mbola matory Eo amorondranon’ny be volotara Jerijereo f’aza avela ho maina Tarafo eo aho fa ho tsinjonao tsara Tsy miala eo aho raha tsy efa maraina Na dia maty aza anie zany tenako be Ka hiraraka an-tany ny rà ao am-poko Ny fitiavako anao ka mipetraka anie Tsy mba ho maty ary tsy mba ho lo
