Ampidiro aloha ny tenimiafina
Fahavaratra
Fahavaratra ny andro Orana no manjaka ety tsy ahalalana andro atoandro Toa tsy maha te ho tia Fahavaratra ny andro Tsy ahalalana andro atoandro Ny voary no lena Kotsakotsa mahonena Orana tsy miato toa mihoby mikorana Tsy ahitan-java-kanto nefa tsy azo hialana fa raha ratsy ny andro, tsy ahitan-java-kanto Ny orana no manjaka ety toa tsy maha-te ho tia Fahavaratra ô (2) Herinandro toy izao tsy ahafahana manao ny atao fa petsapetsa lava izay rehetra hitanao Herinandro toy izao tsy ahafahana manao ny atao Ny orana no manjaka ety toa tsy maha-te ho tia Fahavaratra ô (2)
