Ampidiro aloha ny tenimiafina
Vahiny
Fa vahiny izy, vahiny mba nandalo Tsy nivatravatra na hoe nanao ambozizy Na fianakaviany na izay tany nihaviany Tsisy nahalala akory na nanao hoe fotory Nipitrapitra izy, tsy sahy niteniteny Nefa dia nambabo tsy nahy, nambabo fanahy Ny tepon'ny foko natahorako ho reny Nony sendra topi-maso tsy mba niniany akory Fa raha toy izay hono, tonga dia nolazainy Ireo teny nantenainy saiko Ho asa angamba, izay zava-nitranga Sanatria ho safotra aho angamba Fa saingy tsy izany, tsy izany no niseho Fa fotoana vitsy dia hay nandao ilay vahiny Tsy nanaraka azy aho, tsy afa-nanoroka azy aho Teo dia vita ny tantara, anay sy ilay vahiny. Tonony : BESSA Feony : Noël RAKOTOARIVONY Mpihira : LOLA Mpandrindra : ARO http://www.geocities.com/TheTropics/Shores/2640/
