Ampidiro aloha ny tenimiafina
Izaho sy ianao
Réf : Fa ho hiran’ny fo izaho sy ianao Hira mamin’ny fiainam-baovao Hirahiram-pitia efa tao ‘Zaho sy ianao ‘Zaho ilay namanao tsy mahafoy Hatrizay tsy nandao Dia niombon-tsaina fo sy fanahy Toa tsy mety lao Ny hetraketraky ny tsy tia Misompatra hatrizay ka hatr’izao Lazaiko anao fa nangaina satria Hiray izaho sy ianao Ho avy ny oram-baratra Afafin’ireo tsy namanao Ary setrasetran’ireo tsy tia Te hankahala anao Tsy sitrako ny ho maratra sy hifandao Lazaiko anao hira ho iray Izaho sy ianao Réf Ny sentosentonao io ravao, Ny fo no hatanjaho Fa na iza n’iza tsy tia anao Tsy izay no hankalaina Mafy fototra ny fitia Tsy miova hatrizao Fa lazaiko anao Hira iray izaho sy ianao Izaho sy ianao Hira iray Fa ho hiran’ny fo izaho sy ianao Hiran’ny fo Hira mamin’ny fiainam-baovao Hira iray Hirahiram-pitia efa tao Izaho sy ianao Réf
