Tsy maninona

Title Tsy maninona
Submitted by Adnam
On 21 hours ago
Hits : 14
    1)

Nilaza ianao fa handalo fotsiny ihany

Nilaza ianao fa tsy hijanona ela any

Nampanantena ny hoavy tsy hoela

Satria mbola tavela ilay fitia izay nampiray

Lasa ianao nandao

Tsy nisy rahoraho

Nahatoky aho fa ianao tsy hamela irery

Ny hany azoko atao

Dia ny miandry miandry miandry anao



Réf : 

Tsy maninona raha izany 

Tsy maninona raha izany 

No tianao, hirinao. 

Haaan yeah yeah (x2)



2)

Hatrizao tsy mba nisy na mba hafatra aza

Hatrizao niandry azy tsy hita foana

Aiza ilay fitia niarahana tety, nohitsahiny

Tsy manahy tsy manahy 

Fa ataoko ampy ahy

Reo 'zay vita taloha nankarary ny foko

Ka avelao amizao , ahatsiarotsiaro anao

Mbola hisy ilay maraina vao

Izy 'lay hoavy ho solonao



Réf : 

Tsy maninona raha izany 

Tsy maninona raha izany 

No tianao, hirinao 

Hannn yeah yeah (x5)

Tsy manahy 

Tsy manahy....(x5)

_____ _______ ______ ______ ______ ______

Nampiditra : Manda Ny Aina Gabriel ?? 

@Tijiification 16 Sept 2011

Tiji [ Tsy maninona ]



  
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0087