Zava mahery

Title Zava mahery
Submitted by Viji
On 16 hours ago
Hits : 16
    Misy raha mbola tsy hitako

Misy raha mbola tsy niainako

Satria ny lalàna nandehanako

Tsy mbola nisy toa anao na iray akory

Ento misidina aho fa mafana

Miakatrakatra ny maripana

Ny lasako ekeko hoe ratsy

Fa any aminao any ny hatsarana



Fiainan-dratsy efa hitako

Ram pam pam pam pam efa hitako

Ny adalana efa vitako

Fa aminao aho mila raha soasoa



Mila zava-mahery aho, fa tsy zava-mahaory

Vao tsy anilanao anie tsy mahita tory

Mila zava-mahery aho hoa, fa tsy zava-mahaory

Mila rivotra madio mitsotsoka aho

Mba manala sorisory



Ny eritreritro naloto nisy tasy eh

Vao nolalovanao dia tonga dia voasasa eh

Tsy ny sandry fa ny foko aminao no miasa eh

Ianao milay, milay ah

Ka androany ny hatezerana alaviro ahy

Fa mba mila sentimaka matsiro aho

Avy aminao eh



Fiainan-dratsy efa hitako

Ram pam pam pam pam efa hitako

Ny adalana efa vitako

Fa aminao aho mila raha soasoa



Mila zava-mahery aho, fa tsy zava-mahaory

Vao tsy anilanao anie tsy mahita tory

Mila zava-mahery aho hoa, fa tsy zava-mahaory

Mila rivotra madio mitsotsoka aho

Mba manala sorisory



Ento misidina aho fa mafana

Miakatrakatra ny maripana

Ny lasako ekeko hoe ratsy

Fa any aminao any ny hatsarana



Fiainan-dratsy efa hitako

Efa hitako, efa vitako



Mila zava-mahery aho, fa tsy zava-mahaory

Vao tsy anilanao anie tsy mahita tory

Mila zava-mahery aho hoa, fa tsy zava-mahaory

Mila rivotra madio mitsotsoka aho

Mba manala sorisory  
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0126