Hevitra momba an'i Vola sy Noro

Hiverina amin'ny Vola sy Noro Hampiditra hevitra
mjo ( 30/04/2007 12:06)
Hodian-tsy hita ve? dia niraina groupe vehivavy gasy vao haingana hitako tao aminy dailymotion ne clip; azonao lazaina ve ny anara'io groupe io misaotra
microcebe ( 19/10/2006 14:14)
ary hertix mahay zavatra an hihihihi
hertix ( 08/01/2006 18:41)
Vola sy Noro dia nipoitra avy ao amin'ny tarika Ny Railovy izay notarihin'i Jérôme Randria. Tany amin'ny taona 1973 tany ho any no niforonany. Izany hoe nanomboka nandeha irery Vola sy Noro. Maro ireo hirany no tsy mety afaka am-bavan'ny olona. Tao ireo nohirainy fony izy mbola tao amin'Ny Railovy (Aza ela, Ny hirahiram-poko, Mbola ho avy ny maraina, Dina ...), tao koa ny hira noforonin'i Paul DASON (Anjavidy, Fantatro ianao, Saika diso paika, Very maina ...), ny noforonin'i Bessa (Avelao, Ray ô ...). Tao koa ry Fanja Andriamanantena (Avia aty, Taratasy ho anao), ry Thérack (Ry alina mangina). Raha ny mpandrindra ny hirany indray dia tao ry Jérôme Randria, Paul Dason, Harry ary Bessa.
hertix ( 08/01/2006 18:26)
Ny "aza ilaozanao" dia "AVY ATY" ny lohateniny ary "Ny foko tia" dia "HO ANAO" no lohateniny.
hertix ( 08/01/2006 18:25)
Hodian-tsy hita ve? dia hiran'i Henri Ratsimbazafy fa tsy an'i Vola sy Noro velively azafady.
kintana ( 02/12/2003 11:09)
vao tsy ela izao no nandao antsika i volan'ny tarika vola sy noro!!
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1929