Hevitra momba an'i Rambao

Hiverina amin'ny Rambao Hampiditra hevitra
Arofenitra ( 27 andro lasa)
I Randrianarisoa Jean Maurice no mpanorakira fa i Rambao no ataony anarany tarika izy no namorona io hira hoe Teto ny ao ambadika tamin'ny androny Disque 45 tour dia Ilay hira hoe Rahovina ré nivoaka tamin'ny 1978 .
Ny Tarika rambao dia niatomboka tamin i eliane sy rambao izay vao nisy an i Eliane sy Emma nanomboka ny taona 1974. I Lolona sy Hasina indray ny 1996 izay nanavao. Efa nodimandry i Eliane (nandao antsika ny 26/06/2020) sy Lolona (03/11/2025) izay efa samy vadin Rambao avokoa. Emma kosa dia mipetraka eny sabotsy namehana eny. Eliane sy rambao dia niteraka an i Franck Rambao lahimatoany izay efa nodimandry ian koa, sy I nancy . nanana studio de repetition teny ambanilalana (tsena dalle)itaosy teny zareo.
Rambao nanao tourné tany Ambanja t@ 1976 tao @ salle d'oeuvre mopera.
504 familiale ny fiara nitondra ny Tarika tamin izany fotoana.
1974/75 Tarika Rambao Eliane sy Emma (kanbana) anisan'ireo tarika nanampy betsaka ny EKAR Fiadanana-Soanierana tamin'ny fanorenana ny sekoly katolika Fivoarana-Maria Mpanampy: nanao spectacles maromaro tao amin'ny salle d'oeuvre.
Arofenitra ( 27 andro lasa)
Androany 07 novambra 2025.
Maty ihany koa i Lolona , mpihira ny tarika rambao tamin ny 03/11/2025.
Mandria ampiadanana ary mino aho fa tafahaona lolona sy eliane any izay
naharyhaingo2015 ( 05/01/2015 04:29)
miarahaba antsika rehetra nahatratra ny taona 2015 e! mba misy afaka manome eto ve ilay hiran'i RAMBAO ohatr'izao iny e, tsy haiko ny lohateniny fa izao no tonony "
tsy aloka fotsiny ireny
fa tadidy mbola tsy maty,
ny saina rehefa manjeny
dia mirongatra indray ny ao anaty
....
Aiza ianao re ry fanadinoana
misy ve fanafody toloko
ny lasa re mba hovonoina
fa manjary mandratra ny foko

.......
"
na mp3 koa vao maika tsara.
Noro ( 06/01/2002 02:01)
Izy moa dia mpihira ny kalon'ny fahiny sady ny hirany dia hira tsaaara daholo
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2003