NOHO IREO SOMBINIAINA
Add a photo Submitted by Sedakely
28/08/2009 13:37
NOHO IREO SOMBINIAINA's song 0 Click here
Hits : 2397
Likes : 1 Like
28/08/2009 13:37
NOHO IREO SOMBINIAINA's song 0 Click here
Hits : 2397
Likes : 1 Like
More info
Tsy handrebireby anao raha mivily ka mamangyAmin' ny andro harivariva
Manontany vaovao; sanatria tsy tonga hisangy
Na tonga koa hanivaiva
Tsy hamboraka fitia na hitantara koa ny amiko
Fa hitandro fihavanana
Isika moa nisara-dia nefa maminao sy mamiko
Ireo zaza iaraha- manana
Efa ho herin-taona mantsy no nisarahantsika toerana
noho ny antony efa fantatra
Isika akory tsy olon-dratsy; na tsy misy fiheverana
Fa ny lahatra ankamantatra
Raha nandalo dia nahita ny efitranonao nivoha
Mbola misy hazavana
Ela tsy nifankahita , sanatria tsy hilanja loha
Fa hitondra fiarahabana
Mbomba ireo zanantsika izay mipetraka aminao
Moa ve..moa ve salama tsara a?
Satria moa ny amintsika efa fantatro sy ianao
Fa nivalona ho tantara
Henoko fa toa hoe: manahirana indraindray
Amin' ny hantahanta keliny
Nefa atao ahoana moa fa mahaiza manafay
Ahazoany ny tanteliny
Fantatro fa tianao loatra izy telo mianadahy
Ka tsy sahinao tenenina
Raha ny ditra tafahoatra anefa mba lazaonao ahy
Sao mba misy ala-nenina
'Lay sekoly vaovao 'zay vao namindranao azy
Moa ve mba arany ihany ?
Satria mantsy fantatrao, tsy azo atao kivazivazy
Fa antoky ny hiafarany
Raha ny fiainanao indray aza tantaraina ahy
Efa hita izao fa tsara
Ny ahy koa dia tahaka izany; tsy dia misy mampanahy
Fa dia mizotra soa aman-tsara
'Lay mpampianatra ny ankizy efa notiavinao
Efa fantaro ny aminy
Tia anao tanteraka izy; aza ataona kilalao
Ny fanasoavana ny ankaniny
Tsy ho lava resaka aho fa izay no anton-diako
Ny andro koa...ny andro koa mandroso ho alina
Raha misy aizina mitraho mahaiza re mifankatia
Ary aoka hisaina lalina
Tsy nandrebireby anao raha nivily ka namangy
Fa nadio ny fo sy saina
Nanontany vaovao ary tsy ho tafandry mandry
Noho ireo sombiniaina
Comments about NOHO IREO SOMBINIAINA
Sedakely (28/08/2009 13:40)
Anisan' ny nanatanteraka ny Prise de vue-n' i ROMULE aho ary efa vita ny Montage rehetra nefa dia indrisy fa tsy tafavoaka ilay izy, koa raha misy namana na fianakaviany te hamoaka izany dia afaka resahintsika tsara ny hanaovana azy
alefako @ manaraka eto ihany ireo titre-ny hira efa vitako ato anaty ordi-ko
Mazotoa mihira e!.....
alefako @ manaraka eto ihany ireo titre-ny hira efa vitako ato anaty ordi-ko
Mazotoa mihira e!.....
NOHO IREO SOMBINIAINA's song (0)
Audio not found