Akoho saosy (Zily)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
voadaniky ny hainandro iny aho
hainandro migaingaina
vezivezin ingahy fanahy mahafanina
re to tsy hay lazaina
ny trano to mbola lavitra
nosavaiko ny ati paosy
telo arivo nivalombalona,
hividinako akoho saosy

ref: akoho saosy eeeeee
akoho saosy aaaaaa
akoho saosy eeeeee
akoho saosy aaaaaa

vary maina mipatrapatraka
toa miloko manopo mena
no naroson'ity madama serveuzin
hotely teo an-tsena
ro matsatso miaro sakay
avy hatrany napetrako ny sakaosy
naka toerana tsaratsara aho mba
ankafizako ny akoho saosy

tsy tazako itsony mihitsy mantsy
izay manodidina ahy
fa ramaky ny hanohanana loatra
ny anao lahy
soa ihany fa.nisy hotely tsotsotra
teto atsenan'itaosy
voky aho ka mahatsiaro bogosy
fa nandrezatry ny akoho saosy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Zily
Vangy : 1563
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 30/04/2016 11:56
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0714