Lalan-davitra (zah MTF (Zah Mamafy Teny Fiainana))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Lalan-davitra no aleha vao tonga an-danitra
Misy fitsapana be tsy maintsy hiaretana
Ho anao nanolo-tena, tsy mora fa miambena
Mahareta hatramin'ny farany mitondra ny anarany.

Lalan-davitra no aleha vao tonga an-danitra
any (An-danitra any)
Misy fitsapana be tsy maintsy hiaretana
Ho anao nanolo-tena, tsy mora fa miambena
Mahareta hatramin'ny farany mitondra ny anarany.

Ref :
Dia aza mihemotra, hiverin-dalana
Aza omenao an'ny hafa izay anjaranao
Tazomy an-tanandroa, ny anjara lovanao
Mba tsy hisy haka anie ny satro-boninahitrao.
.........
Tsy ianao irery anie sakaiza, no mizaka izany (No mizaka izany)
Reo namanao hatraiza hatraiza any ambadika any
Miara-mitondra aminao, mivavaka ho anao
Mahareta hatramin'ny farany mitondra ny anarany.

Tsy ianao irery anie sakaiza, no mizaka izany
Reo namanao hatraiza hatraiza any ambadika any
Miara-mitondra aminao, mivavaka ho anao
Mahareta hatramin'ny farany mitondra ny anarany.


Ref :
Dia aza mihemotra, hiverin-dalana
Aza omenao an'ny hafa izay anjaranao
Tazomy an-tanandroa, ny anjara lovanao
Mba tsy hisy haka anie ny satro-boninahitrao. (X2)

Mba tsy hisy haka anie ny satro-boninahitrao..........
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : zah MTF (Zah Mamafy Teny Fiainana)
Hits : 6915
Likes : 1 Like
Created by : mafyloha3
Date : 25/10/2018 13:01
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0726