Ny mamy tsy mba lany (Tvbroadcasting)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Raha hoe tsisy namana aho hoatr’izay,
dia angamba efa tsy hay.
‘Zao kosa aho te ho ando hampahery
Ho an’ny hafa indray…
(An an an)Raha toa aho ‘zao lasa tia tena
dia ho ketraka ny fo (ououououou)
Fa aaa…Raha toa aho mahafoy tena
fifaliana maro loko .Fa tsy toloko.(ououoko)

Raha aa..raha mbola haiko dia tiako atao
Raha mbola an’ahy dia tiako anao
F’izay no tsara indrindra ami’zao.
Ka aa..mandrakizay tsy izao ihany
Ny fiaina ankoatr’izany: Ny mamy tsy ho lany.

2-Raha mbola misy hery hanao soa
Ny tanako an’kiroa.
Tsy hijanona aho fa handrandrana tady
mampifandray ny fo.
(An an an)Raha toa aho 'zao lasa tia tena
dia ho ketraka ny fo (ouououou)
Fa aaaaa….raha toa aho mahafoy tena
Fitahiana maro loko fa tsy toloko…

Raha aa..raha mbola haiko dia tiako atao
Raha mbola an’ahy dia tiako anao
F’izay no tsara indrindra ami’zao.
Ka aa..mandrakizay tsy izao ihany
Ny fiaina ankoatr’izany: ny mamy tsy ho lany.

‘zaho tsy mba hiala,’zaho tsy hanahy.
Ny fiainako izao no mahasambatr’ahy(sambatr’ahy)
Tsisy ahiahy… (oooooooo)

Ka aaa…’zao no ataoko fomba fiaina:
Raha misy tsara dia zaraina.
Faly ny fo,tony ny saina.
Ka aa..mandrakizay tsy izao ihany,
'ndao dia ho hitanao;ny mamy tsy mba ho lany…..
... ny mamy tsy mba ho lany….
... ny mamy tsy mba ho lany.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Tvbroadcasting
Hits : 784
Likes : 0 Like
Created by : raniNi1
Date : 22/05/2019 15:52
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0728