Misinkina herim-po dia manomboha (Tvbroadcasting)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tao am-ponay,efa hatrizay,
mpisava lalana no tanjonay
Tianay hatao androany androany.
Fa tombontsoa tsy in-ndroa mandalo ihany.

Ref: F’inona izao no ilainao?
K’aza misalasala, mandraisa anjara
Tsy ho mora moa, fa manehoa herim-po
Dia manomboha, ataovy aloha.

Jehovah anie,no hanome
izay ilainao sy 'zay mba hirinao.
Raha toa tsy sahy na koa manahy
Dia matokia satria Jehovah miahy.

Ref: F’inona izao no ilainao?
K’aza misalasala, mandraisa anjara
Tsy ho mora moa, fa manehoa herim-po
Dia manomboha, ataovy aloha.


Io fa mivoha ka mandrosoa.
Tsy ho neninao izao f’andao hatao.
Manomboka eo ho fitahiana maro be
no ho azonao ,andramo anie.

Ref: F’inona izao no ilainao?
K’aza misalasala, mandraisa anjara
Tsy ho mora moa, fa manehoa herim-po
Dia manomboha, ataovy aloha.

F’inona izao no ilainao?
K’aza misalasala, mandraisa anjara
Tsy ho mora moa, fa manehoa herim-po
ka manomboha, dia ho afa-po…
…‘Ndao mandrosoa.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Tvbroadcasting
Hits : 787
Likes : 1 Like
Created by : raniNi1
Date : 27/05/2019 10:36
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0759