Ho tafarina aho (Tvbroadcasting)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mangirifiry ny any am-poko lalina.
Jehovah ô,ketraka aho fa manirery
‘zao aho lavitra anao, te hamonjy ilay ankany
Ho sitrana indray tsy hisy fery.

Tsy voakosoka ato an-tsaiko,tsy mba mety hadino
‘reo fahamarinanao izay sarobidy
Hoe raha sendra lavo aho,Ianao mbola mino :
Fa ho tafarina aho.

‘Reo tia anao amin’ny fo dia fantatro hoe tia ahy
Tena tsapako hoe tsara fanahy.
Ny lalana izorako mazava izao satria
ny teninao mitarika ny dia.

‘zay rehetra reko sy ‘zay mba jereko
Vao mainka mampiaiky:ny farany efa akaiky.
Ry Jehovah be fitia,mba henoy re aho.
‘Zaho ‘nie mila anao ka mitalaho.
Raha mbola lavo im-pito aho,matoky anao:
Fa ho tafarina a.

Ianao Jehovah tsy hanakivy.
Fa hitanao hoe mila ampiana.
Tsy ny hadisoana hataoko no jerenao fa izay tsara.
Ianao eo foana hikarakara.

‘zah hiverina hivory indray, hamonjy ilay ankany
Ny fitiavana any tsy mba lany
Raha sanatria ka lavo aho;dia tsy hisalasala
Hiarina avy hatrany…
…ho tafarina aho.

JWBroadcasting june 2017
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Tvbroadcasting
Hits : 1151
Likes : 1 Like
Created by : raniNi1
Date : 17/05/2019 15:33
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.072