Lasalasa ianao (ft Maren) (Toky AR)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Lasa, lasalasa saina
Hoe oviana no ho tonga ilay maraina
Ny hahita anao indray
Mba ho eo anilako eo
‘Lay namako hatrizay
Tsaroana foana teo

Eny, na lavitra aza ianao
Fa mbola tsy miova
Ilay ao anatiko ao
Fitia tsy mety ho faty
Mibitsika mangina
Mirongatra any anaty
Vao maika tsy hay toniana

Ianao ilay taratra hazavana
Mitondra, mitondra hafanana
Masoandro toa feno fifaliana
Mamafa ny alahelo
Satria ianao lay tiana

Any, any indray andro any
Tsy hisy intsony
Ireo sento sy tomany
Fa tsiky lalandava
Sy volana hanazava
Hanome aina ilay
Fanantenana indray

Tiako, tiako raha ianao
Mba hitoetra ao am-poko ao
Ka hifampizara
Hizara ilay fitia
Na mamy na mangidy
mandrakizay doria

Ianao ilay taratra hazavana
Mitondra mitondra hafanana
Masoandro toa feno fifaliana
Mamafa ny alahelo
Satria ianao lay tiana
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Toky AR
Hits : 2192
Likes : 1 Like
Created by : ikalamako
Date : 27/10/2015 09:18
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0786