Làlantsika Roa (Tino Marti)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Teny tsotra hoe "tiako ianao",
No amintinako 'zao andro izao,
Miboiboika ao anatiko ao,
Loharano hanondraka ny fitiavako anao,
Ao, ao no hasiako ny fonao,
Ka 'ndao omeo ahy ny tànanao,
Ho asiako marika fa tia anao aho.

Ny masonao no hijery ny làlako,
Ny vavanao no hanitsy ny hadalàko,
Ny sorokao no hilanja izay vesatro,
Ny tongotrao no hitarika ny làlantsika roa.

Izao anio izao miantomboka,
Ny fontsika roa hiara-hidoboka,
Hitondra gadona hiarahana,
Hilatrontsika miaraka,
Hamakivaky izao tontolo izao,
Sy ny ampitso rahatrizay,
Ka 'ndao omeo ahy ny tanànao,
Ho asiako marika fa tia anao aho.

Ny masonao no hijery ny làlako,
Ny vavanao no hanitsy ny hadalàko,
Ny sorokao no hilanja izay vesatro,
Ny tongotrao no hitarika ny làlantsika roa.

Oooooooooo,
Oooooooooo.

Ny masonao no hijery ny làlako,
Ny vavanao no hanitsy ny hadalàko,
Ny masonao no hijery ny làlako,
Ny vavanao no hanitsy ny hadalàko,
Ny sorokao no hilanja izay vesatro,
Ny tongotrao no hitarika ny làlantsika roa,
Làlantsika roa,
Làlantsika roa.
--------
Link:
Comments
Dridroka ( 08/05/2026 14:58)
Mpanakanto vao misondrotra hatrany.
Fehezina @teny tokana, milay.
Azo atao @ lanonam-pifankatiavan'olon-drehetra.
Mamakia finaritra.
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Tino Marti
Hits : 22
Likes : 0 Like
Created by : Dridroka
Date : 08/05/2026 14:57
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0129