Vonjeo (Tinah)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mitaraina 'zahay andro aman'aly
Miezaka ny hijoro fa tsy tafary
Mamelà Ray ô!
Mamindra-fo aminay.

Voakapoko fa tsy mety fay
Hanarinao vaomay maditra izahay
Izao mahatsapa tena fa tena very
Vao mitady aiza Ianao ilay mahery.

Vonjeo!!
Mafy fa tsy zakanay
Ef'Ianao Tompo ô! no handrandrainay!
Vonjeo!!
Mafy fa tsy zakanay
Mila tananao 'zay hialofanay!
Vonjeo!

Ilay maditranao indreto izahay
Mivalo, mifona aminao Ray
Nanao izay vita 'zay tsy nety nahomby
Nampisa ny herinay 'nefa tsy tody
'Ndre mamindra-fo, mifona e!
Mahatsapa diso izahay tsy hamerina intsony.
Zanako sy asan'ny tanako adidiko hoy Ianao
Tompo ô! sao mba fotoanany izao.

Vonjeo!!
Mafy fa tsy zakanay
Ef'Ianao Tompo ô! no handrandrainay!
Vonjeo!!
Mafy fa tsy zakanay
Mila tananao 'zay hialofanay!
Vonjeo!

....

Ooh!! Ray ôh!
Mila vonjy aminao!
Hamindrao fo e!
Mamelà helokay e!!

Vonjeo!! (Ôh! Ray ô!)
Mafy fa tsy zakanay
Ef'Ianao Tompo ô! no handrandrainay!
(Ef'Ianao Tompo ô! no handrandrainay!, mba vonjeo!! mba vonjeo!!)

Vonjeo!!
Mafy fa tsy zakanay
Mila tananao 'zay hialofanay! (Ôh, ôôôh!! mba vonjeo, vonjeo, vonjeo!!)

Vonjeo!!
Mafy fa tsy zakanay
Ef'Ianao Tompo ô! no handrandrainay!
Vonjeo!!
Mafy fa tsy zakanay (Vonjeo fa mafy e!)
Mila tananao 'zay hialofanay!
(...hialofanay..ay vonjeo!)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Tinah
Hits : 191
Likes : 0 Like
Created by : christophe17
Date : 19/12/2023 18:22
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0713