Silam-panahy (Teboka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Diavola-manjopika manazava ahy
Mahatonga ahy hitsikitsiky sy ho sahisahy
Ka tsy ho reraka na sendra ady mahamaivay
Satria ny fitiavanao ry tiko no manosika ahy

Misy anao matoa aho mahery
Mikarakara ahy isan'andro toy ny anjely kely
Fantatrao, hainao tsianjery
Hoe matoa aho mitsiky de ho anao irery
Misy anao matoa aho mahery
Mikarakara ahy isan'andro toy ny anjely kely
Fantatrao, hainao tsianjery
Hoe matoa aho mbola mitsiky de ho anao irery

Tsy tokana iaho raha mandeha
Misy mitia aho miantso hoe
Oh! ry malalako oh!
Ka na farofy aho na hijaly
Tsy ho reko akory na marary
Fihininao aho de toa sitrana ihany

Misy anao matoa aho mahery
Mikarakara ahy isan'andro toy ny anjely kely
Fantatrao, hainao tsianjery
Hoe matoa aho mitsiky de ho anao irery
Misy anao matoa aho mahery
Mikarakara ahy isan'andro toy ny anjely kely
Fantatrao, hainao tsianjery
Hoe matoa aho mbola mitsiky de ho anao irery

Ohhhhh!
Misy anao matoa aho mahery
Mikarakara ahy toy ny anjely kely
Na farofy na hijaly na marary na tomany
Fihininao aho dia sitrana ihany

Ry silam-panahy
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Teboka
Hits : 82
Likes : 1 Like
Created by : Mah0Finaritra
Date : 27/07/2024 12:07
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0774