Vetson-dramiaramila (Tarika Rossy)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Eh, ravorona iny ô! hikopak'elatra hiatsinananaEh, ravorona iny ô! Meteza hivily, meteza hafarana
Eh, ravorona iny ô! Ô iangaviako aza mampifila
Eh, ravorona iny ô! mba ento ny vetson-dramiaramila
Ilazao i Dada e e, ilazao i Neny
Satry hono hoe mba hifankahita e e e, kanefa ny ady tsy mety vita!
Ilazao razoky e e, ilazao razandry e e,
Fa mafy ny ady any anaty akata e e e, tafondro sy basy mitatatata!
Mafy ny ady any anaty akata e e e, tafondro sy basy mitatatata!
Ilazao rasipa e e, ilazao malala e e,
Satriny hoe eo anilanao ô ô ô! saingy tsy afa-manoatra ka ivavaho anie aho
Satriny hoe ho eo anilanao ô ô ô! saingy tsy afa-manoatra fa zazavao anie aho
Ny basy hono hoe tsy mba te-hipoaka e e e ,
Ny basy hono hoe tsy mba te-hipoaka
Nefa tsy maintsy avotana ny vahoaka hoa
Tsy maintsy avotana ny vahoaka
Tsy maintsy fongorina ny mpanjanaka,
Tsy maintsy fongorina ny mpanjanaka
Hiadanan'ny tany sy ny taranaka
Izay tena tia ny fireneny anie,
Izay tena tia ny fireneny
Tsy mba mody raha tsy mahazo fandresena hoa
Tsy mba mody raha tsy mahazo fandresena
Ny basy eny an-tanana no hikatsahana,
Ny basy eny an-tanana no hikatsahana
Hiadiana an'ilay tena fahafahana
Eh, ravorona iny ô! hikopak'elatra hiatsinanana
Eh, ravorona iny ô! Meteza hivily, meteza hafarana
Eh, ravorona iny ô! Ô iangaviako aza mampifila
Eh, ravorona iny ô! mba ento ny vetson-dramiaramila
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Tarika RossyHits : 164
Likes : 0 Like
Created by : dahfara
Date : 23/05/2025 21:04
