Raha toronao (Tarika Mpivahiny)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
[Andininy 1] x2
Raha ho tonga ny fetra indray andro any hialanao ety an-tany
F'ity tany ity fandalovana mantsy ka tsy nisy ny natao tsy ho faty
Tsisy afaka hiambo na dia olona iray  fa ho velona eto mandrakizay
Tsisy mahavidy faty na lanitra ambony fa izay lasa tsy miverina intsony

[Fiverenana] x2
Ka raha toronao no tsy maintsy andeha ka hody ianao ry mpivahiny
Ho lasa tsy tana sy hamakivaky ôô hiazo iny habakabaka iny
Efa vonona ve ny lakile adiresy misy tombokase
Sao mba hidy aminao ny vavahady any ka any ivelany ianao no hitomany

[Andininy 2] x2
Maro anie teto an-tany ireo mpifankatia izay mpinamana tsy nifankafoy
Nefa indray mi pi-maso tsy nampoiziny akory dia natory ka tsy nifoha intsony
Tsy vitsy noho izany ireo namohy fo nitomany anefa mba ho aiza moa
Lalan-tokana tsy azo ihodivirana izany ka manaova ny marina ihany

[Andininy 3] x2

--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Tarika Mpivahiny
Hits : 9
Likes : 0 Like
Created by : mich_07
Date : 27/05/2026 16:15
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0285