Ho an'i malala (Tarika Lafatra)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Holazaiko anao anio ny ato am-poko
Sarotra ny hanadino anao
Marina fa hoe mifankatia izaho sy ianao
Saingy voasakana tsy hiara dia

Mila anao ny fitiavako
Mila anao hitoetra eo anilako
Ny fiainako mihitsy no tsy mety raha tsy eo ianao
Izany no ilazako anio fa tiako ianao!

Rehefa iny injay ianao re ry aiko
Lavitra tsy eo anilako
Manirery anie aho mahatsiaro ho tsinontsinona
Na dia minitra monja tsy anilanao

Mila anao ny fitiavako
Mila anao hitoetra eo anilako
Ny fiainako mihitsy no tsy mety raha tsy eo ianao
Izany no ilazako anio fa tiako ianao!


Tonony sy feony : Avoko Andriamihaja
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Tarika Lafatra
Hits : 1859
Likes : 2 Like
Created by : 00336255707
Date : 28/08/2016 12:24
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0721