Love.com (Tann Faya)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mba miantso miangavy any aho
Mba henoy kely
Te hilaza aminao
Fa ianao irery ... Ilay hany mambabo saina amam-panahy
Toa lanitra vao ho ahy nahita an' ialahy

Miangavy mba mitoreo aho
Leo manirery
Mba tolory 'lay fonao
Rakalakely
Inoko fa tsy hoe fadisoana ... Raha love aminao aho
'Lay tsikinao no hany tsaroako
Ho mpamelona anahy

Tsy ho leo na mandramaty hanaporofo hoe tiko ianao
Mandoro hatrany anaty re fa mba raiso ho anao 'ty fo fa jaly aho
'Ty zaho mba ento ho anao
Mandohalika aho, miangavy anoloanao aho mitalaho
Fa saina amam-panahy anio toa lasa feno anao
Mba raiso ho anao aho
Mba ho eto hameno anao

[Bridge]
Iriko hoe indray andro any hiara-hisedra fiainana
Ho atolotro anao aloha ny tany
Fa tsy anah' ny volana io [Tsy anahy]
Na ny kintana ireny tsy anahy [Tsy anahy]
Ka tsy hampanantena aho
Fa ny aiko raha toa ho anao io

Foiko omena
Fitaka foana ny vava fa ny ahy io navadiko impito ny lela
Raha teny tsy ho hitan' ny maso f' aleo 'zay ho vitako aloha no jerenao
Miloloha lanitra ihany aho
'Ndraindray mety lena
Na orana toa ranomaso, hijoro ho elo ho anao

Zah' tsy hoe tsilo handratra
F' hitondra mazava
Tsy ho olana lava fa hitondra fitia ho anao ah'
Ho anao aho
Hameno zay banga,
Hanamboatra nofy
Hanampy ny hatsarana efa anananao io
Raiso aho
Raiso aho
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Tann Faya
Hits : 3823
Likes : 1 Like
Created by : ikalamako
Date : 05/01/2017 20:55
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0729