Akory ny talentanao? (STK ANOSIVAVAKA AMBOHIMANARINA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Akory ny talentanao
voatolotra eo an-tananao
akory ny talentanao
moa mitombo va sa ahoana
2 fois

aza mba matory foana
na mandevina talenta
koa araraoty re ny andro
mba
akory ny talentanao...

indro Tompo o talenta roa tamiko
ka nahazoaka talenta roa hafa
ho Anao ry Tompo tsara ho voninahitrao

indro Tompo o talenta dimy tamiko
ka nahazoaka talenta dimy hafa
ho Anao ry Tompo tsara ho voninahitrao

tsara izany ry mpanompo tsara
nahatoky tamin'ny kely
hotendrena hianao hanapaka ny be
fa hianao ry mpanompo ratsy
kamo mpanamavo ny didy
dia tsy mba mahasoa ka ariana ivelany

ry mpanompo mahatoky
miditra ao an-danitra
ka hiaraka hifaly
amin'Andriamanitra
2fois
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : STK ANOSIVAVAKA AMBOHIMANARINA
Hits : 1433
Likes : 0 Like
Created by : toubiby
Date : 31/12/2016 09:20
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0721