OVAY NY FAMINDRA (STK AMBOHIMAMORY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ianao io izay mbola variana
Migoka fiainana feno hamamiana
Mba hevero ihany izay hiafarana
Tsarovy anie fa ny ety an-tany
Pejy iray handalovana ihany
Ka diniho re sao mba tara loatra
Indray andro any tsy maintsy ho tsaraina
Ny zava-boahary manan'aina
Ka mba aiza ho aiza no hisy anao

Mba ovay ny fomba famindra
Kendreo ny tsara indrindra
Sao dia ho neninao ny efa vita (vita o!o!o! )
Katsaho ilay paradisa
Jereo ny andronao sisa
Amin'izay ho sambatra mandrakizay

Hianao koa izay mahatsiaro ho very
Mahatsapa tena ho irery
Aza kivy na mitanondri-dava
Fa ny haizim-be mitatao
Manamaloka ny fiainanao
Mbola hisinda ka hanjary hazavana
Eo ianao vao tena hahita
Fifaliana tsy mety riatra
Koa manàna faharetam-po
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : STK AMBOHIMAMORY
Hits : 1189
Likes : 1 Like
Created by : mbolafab
Date : 31/08/2016 11:03
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0731