Aizina (Soradra)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Lavitra hazavana ra-olombelona, miaina anaty ratsy,
Tsisy azo antenaina ny fiainany, ny ho aviny voafaritra aizina,
Na mamono na vonoina, mandray fanapahan-kevitra,
Miady irery ny vahoaka, tsy raharahan'ny fitondrana,

Aizina no hazavana itarafany,
Aizina tsy mety hisava mandrakariva,
Aizin'ny fanantenana no fantany,
Aizina no vovoka mbola hiafarany

Tsy hazava intsony angamba,
Fa takona foana toa jamba,
Tsy misy mazava mihintsy,
Hieren'ny fanahin'olom-bitsy

Aizina no hazavana itarafany,
Aizina tsy mety hisava mandrakariva,
Aizin'ny fanantenana no fantany,
Aizina no vovoka mbola hiafarany

Feno aizina ny tontolo,
Manaraka izany ny fahavalo,
Ho potika daholo izay tonga eo,
Na Rajoelina na Ravalo.

Tonony sy feony: Faniry Ram / Ando Ranady
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Soradra
Hits : 1439
Likes : 3 Like
Created by : Faniry-Nomena
Date : 25/08/2016 11:40
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.082