Mila fisainana (Solo Andrianarijaona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Maro ny olona no mivadika ny fomba sy fanao
Mirehareha ka mideradera ho olo-masina tokoa
Ny andro alahady toa fahazarana, tsianjery izay fanao
Ny ao an-tsainy dia ny henatry ny manodidina azy ireo

Mitombo hatrany ireo fiangonana, fivavahana samihafa
Ny sasany aza milaza fa any no misy an'Andriamanitra
Tsy mitsikera na mitsara fa tena marina izahay
Fa ny ankamaroany tsy amin'ny fo fa an-tendromolotra ihany

Aza misaina fa hoe mpivavaka isan'andro ianao
Dia hitsara tena fa hahazo ny fiainam-baovao
Ny fisainanao no hatsarao raha te-ho marina kokoa
Vao hidera tena ho mpanompon'ny Ray Tsitoha

--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Solo Andrianarijaona
Hits : 333
Likes : 0 Like
Created by : dahfara
Date : 24/05/2025 20:17
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
Other titles
more...
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0097