FANDEFERANA (SLKAF)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ry olombelona ô! Henoy ange,
Ity misy zavatra lazaiko anao,
Fa ny fiainana eto an-tany, raha toa tsy hanjakany
Dia asa fotsiny izay hiafaranye!!

Ekena fa ny marina tsy maintsy haseho
Ny rariny no tena tadiavina
Kanefa anie jereo, ambarako anareo
inona ny zava-miseho
Ny fiaraha-monina iainantsika ety
feno fiantsarambelatsihy, fa

Nanjary lasa hafa ny fisainana,
Mivoatra mantsy izao tontolo izao
Raha fahiny itompoina ankahitriny tsy hijoroana,
Miovaova hatramin'ny finoana ô!!

Manjaka izao ny fiainana tsy te hahalala,
Ny ratsy miha-mitombo iaraha-mahalala,
Fa gidragidra lava, mifandrani-tava,
Nofy zany hoe : hikombom-bava,
Mifanendrikendrika manao an-dolom-po
mahavarina tokoa

MAMPALAHELO e!!

Mampalahelo sy mampahonena
Raha isika olombelona ety,
Nofo sy rà, fo vatana fanahy,
Kanefa tsy mifankatia,
Tsy mahay manetri-tena tsy manam-pandeferana
Fa samy tia tena avokoa
Eny izaho sy ianao,
Mihambo ho mpivavaka
Indrisy dia toy izany koa

Mampalahelo sy mampahonena .....

Fa ny fandeferana lazaiko anao
Toetra vitsy mpanana tokoa
Toa mora raha tenenenina
Fa saro-tanterahina
Mandratra sy manimba ny ambom-Po ô
Fokaina sy atao tsinotsinona
Toa zary lasa momoka re roy!
Nefa fahendrena feno halemem-panahy
Miafina ao anty fahanginana
Zava-tsarobidy tsy mba manana mpitaha
Andeha hampanjakana ry lahy
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : SLKAF
Hits : 1480
Likes : 0 Like
Created by : Amboarakely
Date : 29/06/2015 14:54
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0721