MIFANKATIAVA HIANAREO (SERAFIMA AMBOHIBAO TOBY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
APETRAHO AMIN'NY TOMPO


1- Vaovao izao ny andro,
Inona no hiseho anio?
Feno ahiahy ve ianao?
Hanavandra ve ny andro?
Hibaliaka ny masoandro?
Sa ho maizin-dava ny fiainanao?
'Zay rehetra mba kasaina hamelomana ny aina
Mba ho lavorary ve sa ho rava?
Kivy loatra izany fonao,
ka dia mila hamoy fo 'zao
Indro teny hampaherezako anao

Ref: Hoy aho hoe:
"Apetrao amin'ny Tompo ny fiainanao
Izy ihany no itokio hatramin'izao
Dia ho hitanao tokoa fa ho tontosa sy koa ho lavorary izay rehetra atao"

2- Raha mandalo fahoriana, fa namoy olon-tiana
Ka torovana tokoa re 'zany fo
Kristy Tompo no banjino
Izy vonona hihaino
'zay rehetra vetsovetson'ny fonao
Dia henoy ny Teny omeny
Teny mamy mampahery
Tonga fifaliana koa re ny fonao
Feno toky ny Fanahy,
Afaka ny ahiahy
Ka misinda toa tsy teo ny alahelo

Ref: Hoy aho hoe:
"Apetrao amin'ny Tompo ny fiainanao
Izy ihany no itokio hatramin'izao
Dia ho hitanao tokoa fa ho tontosa sy koa ho lavorary izay rehetra atao"
Ka dia ho faly e!
Ho falifaly lalandava hianao
Satria ny Tompo no itokianao

A/C: Zidora Andriamiasy
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : SERAFIMA AMBOHIBAO TOBY
Hits : 1840
Likes : 0 Like
Created by : jeremiar1
Date : 23/08/2016 10:04
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0741