Tantano (S.A.Mi.Fa V (Saloma FLM Vontovorona))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Tiako ny midera Anao Andriamanitra ô
Nohon'ny famindram-ponao tamiko
Raha mifoha maraina aho
Dia mahatsapa  fa Ianao
Mbola mihazona ireo tanako
Tompo ô! Misaotra Anao
Fa raha tsy teo Ianao
Tsy mba ho toy izao ny fiainako
Fa mbola Zaza aho ka mety ho lavo
Tompo ô! Ianao irery no andriko

Réfrain :
Tantano aho Jesosy ô
Fa tsy mahatana Anao aho
Fandrao ka ho lavo Aho
Dia ho lasa lavitra Anao

2- Tompo ô ampianaro ahy ireo didinao
Mba ahaizako miaraka aminao
Omeo fo matoky aho Tompoko malala ô
Hitandremako izay rehetra sitrakao
Aza avela hiala amin'ny lalànao
Sakambino hatrany mba tsy handao
Tefeo ahatana ny finoana Anao
Hatsapako hatrany fa tsara Ianao

Réf :
Tantano aho Jesosy ô
Fa tsy mahatana Anao aho
Fandrao ka ho lavo Aho
Dia ho lasa lavitra Anao (X2)

Hazony eo an-tànanao aho (farany)


A/C: RAHARINDRANTO Ny Aina Rova H
©S.A.Mi.Fa V 2025
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : S.A.Mi.Fa V (Saloma FLM Vontovorona)
Hits : 256
Likes : 1 Like
Created by : RANYARH114
Date : 03/03/2025 06:53
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2189