Tere Liye (Rova Jahcs)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy manana teny aho ahafahako hilaza ny ao am-poko ao
Fa androany aho hanomana sady hiezaka kely
Hamintina izao ho ahy sy ho anao
Nandalo ny mafy sy mazana, ny olana tamin'ny fianakaviana
Namaky ihany koa ny habakabaka,nisedra iny lalana sarotra iny

Fa 'lavitra be izy hoe, tsy hiemotra intsony hono hoe
F'efa nahita 'lay tokana fanalahidin'ny fony
Ka vonona ny handray, ny fiainana anilandry mandrakizay

Fa tia, fa tia anao loatra aho ka tsy mahatsiahy ny fahiny
Safidy, ny ho anilandry
Fa efa voa, tsy afaka hivoha amin'olon-kafa ankoatranao
Tsapa tokoa f'ianao ilay fanalahidin'ny fo

Tsy manana teny aho ahafahako hilaza ny tsapako am-poko ao
Fa androany aho hanomana sady hiezaka kely ho anao
Ilay tiako sy mamin'ny fo, efa fantatra koa vao niandoha
Fa ho lalana mandrakizay fa tsy hisampana intsony..

Fa 'lavitra be izy hoe, tsy hiemotra intsony hono hoe
F'efa nahita 'lay tokana fanalahidin'ny fony
Ka vonona ny handray, ny fiainana anilanao mandrakizay

Fa tia, fa tia anao loatra aho ka tsy mahatsiahy ny fahiny
Safidy, ny ho anilandry
Fa efa voa, tsy afaka hivoha amin'olon-kafa ankoatranao
Tsapa tokoa f'ianao ilay fanalahidin'ny fo

Chahe kitne bhi lehre ho tufani,
Tera mera sath bus ha kafi, hum dono yuhi rahege sada
Mushkilye ho ya ho khushiyon ki shamye
nila aasma ho ya kali raaten,
Mujhe bhi le chal tere sath

Fa tia, fa tia anao loatra aho ka tsy mahatsiahy ny fahiny
Safidy, ny ho anilandry
Fa efa voa, tsy afaka hivoha amin'olon-kafa ankoatranao
Tsapa tokoa f'ianao ilay fanalahidin'ny fo
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Rova Jahcs
Hits : 18
Likes : 0 Like
Created by : Rova Jahcs Ratsimbazafy - RJR
Date : 31/03/2026 14:07
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0744