INAY AHO (Roland Raelison)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Inay aho nikipy tsy nety nijery,
'lay endrika kanto nisaloranao
Nefa indrisy tsy nety, voatery
fa mbola tsy nisy mitovy aminao

Inay aho nangina, nanjaitra ny molotro
Tsy handoatra ny raki-pitia notrotroiko
Nefa tsy nety, tsy maintsy natolotro
Nanosika mafy ahy mantsy ny foko

Inay aho namery ny tenako ihany
Na oviana na oviana tsy hanoroka anao
Nefa inona indray teto ambonin'ny tany
No mamiko mihoatra izay taminao

Inay aho izao, inay aho ireny
Raha to tsy ho sils-panahy aminao
Kanefa naleoko tan-kibon'Ineny
no efa tsy hary raha toa ka tsy ho anao



Inay aho izao, inay aho ireny
Raha to tsy ho sils-panahy aminao
Kanefa naleoko tan-kibon'Ineny
no efa tsy hary raha toa ka tsy ho anao
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Roland Raelison
Hits : 8057
Likes : 0 Like
Created by : SitMihaj
Date : 31/07/2017 17:47
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0718