Fantatro izay inoako (Rojo (Ny Avo) feat L'Sou)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fa na dia ory sy malahelo aza aho ety
Misy maso iray honena mijery ahy
Ka tsy hatahotra aho na angozohozo ny finoako
Fantatro, fantatro izay inoako. (X2)

Ref:
Miray saina hamely ahy ny fahavalo
Mikasa ny anao fay rano sy ampimalo
Nefa izaho mbola hatoky an'i Jehovah
Ny mazaka am-pitiavany ny itazomany ahy.
.................
Indreo ny rafiko fa mikendry ny aiko
Fa ny ahy ilay inoko io no antenaiko
Oooh!!! Eo anilako eo, eo fa tsy midify
Annn!!! Eo amin'ny hazo fijaliany aho no mitampify.

Hoy izy hoe:
Satria izaho no hiraiketany fitiavany
Dia,... hamonjy azy aho
Eo anilako izy raha sendra ka ory ny foko
Mpandresy aho fa fantatro izay inoako.

Ref:
Miray saina hamely ahy ny fahavalo
Mikasa ny anao fay rano sy ampimalo
Nefa izaho mbola hatoky an'i Jehovah
Ny mazaka am-pitiavany ny itazomany ahy.

Miray saina hamely ahy ny fahavaloko
Mikasa ny anao fay rano sy ampimalo
Nefa izaho mbola hatoky an'i Jehovah
Ny mazaka am-pitiavany ny itazomany ahy.

Fa na dia ory sy malahelo aza aho ety
Misy maso iray honena mijery ahy
Ka tsy hatahotra aho na angozohozo ny finoako
Fantatro, fantatro izay inoako...
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Rojo (Ny Avo) feat L'Sou
Hits : 1798
Likes : 0 Like
Created by : christophe17
Date : 16/05/2020 10:57
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0202