Mama (Rija Ramanantoanina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mama, avelao handeha fa efa
Olon-dehibe ity zanakao,
Te hahaleo tena,
F’efa tonga taona,
F’efa tonga saina.

Mama, Mama,
Be ny vitanao, tena be tokoa,
Mamy koa raha mamy
Ny fitiavanao,
Tsy mba roa fa tokana tsy mety lany
Loharano mamy

Ianao no nahalehibe, nahatoa izao ahy,
Andriko fony aho be ahiahy,
Toky tsy namitaka ahy
Hatram’izay naha zao ahy izay fa...

Mama, avelao aho mba handeha,
Hisonga f’efa lehibe,
Hisedra irery ny atao hoe
Fiainana isan’andro,
Hitetika, hahandro,
Kanefa aza manahy ianao
Fa ireo anatrao no hialoha làlana ahy
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Rija Ramanantoanina
Hits : 26854
Likes : 3 Like
Created by : Heriniaina
Date : 21/10/2001 23:10
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0732