Nataoko ihany (ft Nadia) (Ratary)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nataoko ihany, izay nitia
Mba hihazonana anao, hihazona ny tokatrano
Tsy mety anefa ny rehetra
F’Herimpo very maina mila hanaraka ny aina

Nataoko ihany izay mba tinao
Niezak’aho mba nanao izay rehetra sitrakao
Tsy mety anefa, lasa ianao
Lasa ianao navelanao hangirifiry rery aho

Nalahelo, tsy hita anefa, mba ho aiza , rehefa tsy eo ianao
MAlahelo, tsy hita anefa, mba ho aiza , rehefa tsy eo ianao

Nataoko ihany, ny hanadino
Nefa sarotra ny hamafa, reo zavatra efa lasa
Reo tambitamby, fifaliana
Ny endrika navelanao,hamafako ny fahiny

Nataoko ihany, ny hanonofy
Ny hanonofy anao indray hiverina eo anilako eo
Nananihany, zany rehetra izany
Toa tsy misy tavela, mampatsiahy ahy ny ela

Alahelo, tsy hita anefa, mba ho aiza , rehefa tsy eo ianao
Alahelo, tsy hita anefa, mba ho aiza , rehefa tsy eo ianao

Nataoko ihany, ny hanadino
Nefa sarotra ny hamafa, reo zavatra efa lasa
Reo tambitamby, fifaliana
Ny endrika navelanao,hamafako ny fahiny

O malalako o, zaho tsy hankahala ro (ny hiverenanao)
Reo tantarantsikae, tsy haiko hadinoina ny fahiny e
Hipody aminao zaho ro
O malalako o o malalako o
--------
Link:
Comments
paolo ( 27/06/2018 18:45)
tena tiako ity hira ity, mampahatsiahy ny tantarao fahiny, snif....
paolo ( 27/06/2018 18:46)
nataoko ihany ny hanadino, nefa sarotra ny hamafa ireo zavatra efa lasa..... snif
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Ratary
Hits : 8947
Likes : 0 Like
Created by : schneider
Date : 07/06/2009 10:02
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0167