TARATASY FISAORANA (R.Andri(rivolala) X Sialy(sarobidy la voix d'or))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Isaorako Anao Ry Ray
Ny tombon'andro nomenao ho ahy
Fa velona tsy mba manahy
Dia nohon'ny, FITIAVANAO

Ka mankasitra aho
Hankalazaiko ny momba Anao
Haiko ,fa misy Ianao
Manaiky aho ,ny lahatrao

Ekeko
Ekeko
Fa tinao aho
Ka namindranao fo

Ekeko
Ekeko
Fa Ianao, fa Ianao no, mpamindra fo

Tsy nohon'ny herin-tsaiko
Na nohon'ny fahalalana
Na nohon'ny adalana koa
Na nohon' fahendrena
Na noho ireo harena
Omenao ho ahy eto an-tany koa
Na ny mijaly sy honena
Na ny olona ti-tena
Ny mahantra tsy mba manan-katao
Dia samy nojerenao
Dia samy novonjenao
Nomenao tombon'andro vaovao
Tombon'andro vaovao

Tena tsampako ny fanavotanao
Tsy tafalatsaka antin'ny fahafatesana aho
Fa raha mbola ka mbola velon'aina
Nomena nomenao anjara masoandro indray zahay

Tena tsampako ny fanavotanao
Tsy tafalatsaka antin'ny fahafatesana aho
Ka dia misaotra
Ka dia misaotra
Ka dia misaotra
Oh haleloia

Isaorako Anao ,Ry Ray
Ny tombon'andro nomenao ho ahy
Fa velona ,tsy mba manahy
Dia nohon'ny, FITIAVANAO
Dia ny fitiavanao

Ny fahasoavanao
No naha toy izao ahy

Dia mankasitra aho
Hankalazaiko ny momba Anao
Haiko ,fa misy Ianao
Manaiky aho ,ny lahatrao


A/C: RIVOLALA 2024
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : R.Andri(rivolala) X Sialy(sarobidy la voix d'or)
Hits : 34
Likes : 0 Like
Created by : Rivolala
Date : 16/10/2024 13:17
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0254