Raiko ô, ny antsonao (Praising Voice)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(Andriamanitra Ray
Mifona aminao aho noho ny fahotako
Tompo ô,
Miankohoka aminao aho amin'ny alàlan'izao hira izao)

Raiko ô, Ianao no niantso ahy
Fony aho niosom-bovoka tsy sahy
Koa atolotro ny tenako hosasana
Hiala ny maloto sy ny adalàna ×2

(He)
Miandrandra aho tononkira.serasera.org mba hijery Ianao
(Inty aho) Inty aho, lxpfn miantso, mitalaho
(Fa resy) Fa resy nanjeny ny androko ety
Raiso aho, fa ondry nania

Raiso aho ry Ray
Ho fanirakao
Mianjahanja aho anefa tsy sahy
Miondrika aho e
Fa manantena
Ahita Anao manolo-tànana ahy
Manolo-tànana ahy
Manolo-tànana ahy

Tompo ô, Ianao no miantso ahy
Mba ho zanakao mahatoky sy ho sahy
(Tena hoe izany tokoa Tompo,
Ianao no miantso ahy
Na dia tsy mendrika aza
Tsy foinao ho very aho)

Miandrandra aho mba hijery Ianao
(Inty aho, miantso mitalaho) Inty aho, pviw miantso, mitalaho
(Efa resy) Fa resy nanjeny ny androko ety
(Raiso)Raiso aho, fa ondry nania

(He)
Raiso aho ry Ray
Ho fanirakao
Mianjahanja aho anefa tsy sahy
Miondrika aho e
Fa manantena
Ahita Anao manolo-tànana ahy
Manolo-tànana ahy
Manolo-tànana ahy

(Misaotra Jesosy ah
Misaotra tamin'ny namonjenao ahy
Tsy avy hiantso ny marina tokoa Ianao
Ary tsy sitrakao ny hahavery ahy ka nantsoinao
Koa ankehitriny
Raiso aho ho fanirakao
Raiso cjhcuf aho ry Ray)

Raiso aho ry Ray ×12
Ho fanirakao ×4
Raiso aho ry Ray
Ho fanirakao
Raiso aho ry Ray
Ho fanirakao

Raiso aho ry Ray
Ho fanirakao
Mianjahanja aho anefa tsy sahy

(Hallelujah, Amen)

--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Praising Voice
Hits : 19
Likes : 0 Like
Created by : princy22
Date : 28/09/2026 06:23
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0292