Ho avy ve Jesosy? (POLY GERVOOCS)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Manakoako tena kanto,
Milantolanto miantsoantso o!
Maniry mafy mba ho enoina:
'Ty hafatra mandona.
Toriteny efa fandre,
Diskety miodina be!
'Nefa indrisy tsy asiana sira,
K'aleo mintsy ataoko hirahira.

REF:
Tena ho avy anie Jesosy,
Ka mba ahoana ny aminao?
Ho avy hitsara hanadihady,
hanontany 'zay natao!
Efa ritra taminao ny rahany,
Efa potika taminao ny lohany,
Efa goaka taminao ny tanany!
...Sa hoe tsisy idiranao???

Dia mbola ho faty fahavelona foana ve 'sika ranabavy an?
Dia mbola hanopo devoly mandram-pirava eto ve 'sika ralah?
Dia ho velona hanatotosa faminaniana eto fotsiny ve zany 'sika zoky be an?
Sa ve hoe aleo ihany aloa @ zao?
...Tsy mbola tara e! Andao hiaraka, handeha handositra nenina!
Koa raha hisafidy an'i Kristy
...Avia kely aloha aty;
Atoro anao ilay paika
Sy 'lay hosotra mandaitra:
Fa vavaka tsy totoafo,
Sy fanantenaina horim-bato;
Fa mpivahiny isika no ety,
Ka tsy ho ela handao ty tany 'ty!

REF:
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : POLY GERVOOCS
Hits : 1767
Likes : 2 Like
Created by : Gervoocs
Date : 16/05/2016 10:39
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0708