Noho elah (Pit Léo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Na tsy nangataka aza ianao de nomeko
tsy nasiako fetra mihitsy hoe hatreto
fa efa nafoiko ho anao daholo ny fitiavako
Dia tsy nandà ianao f'ianao koa nanaiky
samy babo tsika, samy taraiky
ka niara-dalana dia tsy hisaraka
na oviana , na oviana eeh
firifiry no nandalo f'ianao
tsy natakaloko an'iza n'iza
tsy hanary jôkera aho
sao mivadika hôrera
zah koa matoky tena a
ny tambitambinao ireny ilaiko
aza andramana ilaozana aho
fa tsy zakan'ny saiko oh
ianao anie ny fofonaiko oh
fa raha zah no tsisy anao
dia ny mahazo anah aloha tsy aiko oh

Satria,
Matoa falifaly foana aho de
matoa mazava ny fiainako e
Noho elah , noho elah
lalalalalalala
Fa matoa tena tia aho dia
matoa mazava ny fiainako e
Noho elah , noho elah
lalalalalalala


Matoa anie zah mandefitra dia (Noho elah)
matoa ny foko mihetsika dia (Noho elah)
dia izay rehetra ataoko dia (Noho elah)
tsy nataoko hampitomany anao zao
fa atokisanao , mba tena hambabo ny fonao
tsy maharesy antsika ny fifamaliana
satria zah tsy handao anao hoa na oviana na oviana
firifiry no nandalo f'ianao
tsy natakaloko an'iza n'iza
tsy hanary jôkera aho
sao mivadika hôrera
zah koa matoky tena a
tsikitsikinao 'reny ilaiko oh
refa tsy mifampiteny 'reny tsika
marary ny aiko oh
ianao anie ny fofonaiko oh
fa raha zah no tsisy anao
dia ny mahazo anah aloha tsy haiko oh
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Pit Léo
Hits : 6549
Likes : 5 Like
Created by : ikalamako
Date : 13/10/2016 20:15
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0752