Alahelo anao (ozon)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fa fahangina ihany mantsy sisa namako
Mieritreritra indray!
Manontany tena aho hoe: "nahoana ny fiainako no navela hisy anao"
Nandratra ahy ny fahatsorany fonao;
Ilay toetranao feno hatsaram-panahy
Saingy fidiny ho ahy ve ny hitia anao tsy hionona

Asa raha mba tsampanao,
Fa izaho anie tsy hiova mihitsy ho anao.
Na ilaozako aza izao rehetra izao
D mbola anaraka ahy foana ny alahelo anao


Raha sendra tampoka tsy fantatra any ahoriana any,
Mety hatsiaro ahy ianao.
Dia ho@izay fotoana izay no efa nanoratako izao hirako izao.
Iriako andalo vetivety ao am-ponao
Ilay fitiavana nihantranao ahy
Izy mantsy izao nangina satria efa noferanao

Asa raha mba tsampanao,
Fa izaho anie tsy hiova mihitsy ho anao.
Na ilaozako aza izao rehetra izao,
Dia mbola anaraka ahy foana ny alahelo anao.

Asa raha mba tsampanao,
Fa izaho tsy hiova mihitsy ho anao.
Na ilaozako aza izao rehetra izao
Dia mbola anaraka ahy foana ny alahelo anao.
--------
Link:
Comments
drhscpr206 ( 30/08/2017 11:00)
TSARA LOATRA
Bizhard ( 16/05/2018 06:49)
mandona be ty vazo ty,,, mba mangataka tondrom peo,,,
Jas36 ( 03/06/2018 14:10)
Fa inona moa izany ilay hoe tondrom_peo raha tsy mahadiso e ! Mba te ampiasa aho nefa tsy azoko mintsy ny fanaovana azy?
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : ozon
Hits : 4288
Likes : 1 Like
Created by : lal'aina pisou
Date : 28/07/2015 20:29
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0192