Tsy mora (ft Njakatiana) (Olive)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy hay intsony indray indray
Ity tenako efa vaky loha
Ireo rehetra mahamay
Toa manodidina avoko.

Raha zavatra hafa no kinendry
Ny etsy andaniny tsy mety
Toa tsy mba misy izay voatendry
Ho mora atao sy misy venty.

Tsy moramora ny miaina
Tsy omeko tsiny ireo lasa adala
F'izy io anie mahalasa saina
Raha toa ka maro mpanadala.
...............................
Tsy hay intsony indray indray
Ity tenako efa vaky loha
Ireo rehetra mahamay
Toa manodidina avoko.

Tsy moramora ny miaina
Tsy omeko tsiny ireo lasa adala
F'izy io anie mahalasa saina
Raha toa ka maro mpanadala.
Tsy moramora ny miaina
Mandreraka manalasala
F'izy io anie manapaka aina
Raha toa ka leo sy mankahala.

Ireo namana izay natenaina hatram'izay
Nantenaina anoro toa tsy anao izay mampahay
Raha ny tena irery toa tsy ho lasa lavitra
Tsy ho manga intsony ve ny lanitra.

Tsy moramora ny miaina
Tsy omeko tsiny ireo lasa adala
F'izy io anie mahalasa saina
Raha toa ka maro mpanadala.
Tsy moramora ny miaina
Mandreraka manalasala
F'izy io anie manapaka aina
Raha toa ka leo sy mankahala.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Olive
Hits : 1628
Likes : 0 Like
Created by : christophe17
Date : 26/05/2018 08:50
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.24