MBA VALIO (feat Mr Sayda) (Odyai)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Malala a!
'za efa n'kôzy hoe hiandry anao, hiandry anao
Ohatran'ny miandry valim-panadinana e!
Ka na firy folo ho aho ny hiverenanao mba marina
'za ho aho hiandry anao ampilaminana a
Tsy nametraka teboka fa notoizako faingo,
Satria tsy tiako hifarana na hoe mbola baraingo
Fa ny avenira-tsika mbola misafotofoto
Mifanalavitra tsisy hafa amin'ilay tia antsokosoko

Ka mba lazao izay marina e
Fa sao varina fotsiny miandry vasoka eto aho
, nsôôô...
Ianao ve mbola hiverina e?
Fa ny akama tsy mitrahatra misento a
Fa sao efa navafikao ny pejy e
Nodoranao ny bokitsika tsisy bedy e
Manantena ho aho misy hoe mandrevirevy e
Sao 'za taraiky fotsiny eto hirediredy e

Réf: x2
Ka lazao ihany, ihany
Sao any ihany, ihany
Hampiononako ny foko mba tsy harary
Na koa hoe hitomany

Matoa 'za lasa saina mieritreritra anao
Tsy mila an-dRapaoly fa 'za miandry anao
F'ianao ho aho raha tsy hiverina dia mba lazao
Mba tsofy rano aho fa hitady vaovao

Oyéee,
Kanefa na izany,
Tsisy mahasolo anao izany,
Izany rehefa mbola any.
Ianao ilay tena mamy,
Mba valio 'za androany
F'aza avela hitomany.

Eh,
Tano mafy f'aza avela
Tsisy anao anie 'za mianjera,
Ankoatra anao anie tsy afera
Mbola manantena foana
Tsy haiko mihitsy hoe fa nahoana,
F'aza avelanao hisaona

F'aza avelanao hijaly aho! Fa harary aho
Dia ho vitanao ve ny hanary ahy?
'za tsy sasatry ny misento, tsisy hasolo anao hatreto
Ka henoy ary 'lay feohoko o


Réf: x2
Ka lazao ihany, ihany
Sao any ihany, ihany
Hampiononako ny foko mba tsy harary
Na koa hoe hitomany

Mangina, nilaozan'olo-tiana,
Lavitra anao anie aho
Manontany, mba rahoviana ihany,
Vao mba hiverina ianao ?
Taratasy sisa sovenira, napetrakao
Isan'andro ny aty kia midelira e,
Miantsoantso ny anaranao.

Ka veloma, veloma eee
Raha toa ianao tsy hiverina a
Fa ny aty efa nihonina eee
Angamba koa tsy hanenina a

Ka veloma, veloma eee
Raha toa ianao tsy hiverina a
Fa ny aty efa nihonina eee
Angamba koa tsy hanenina a

Réf: x2
Ka lazao ihany, ihany
Sao any ihany, ihany
Hampiononako ny foko mba tsy harary
Na koa hoe hitomany
--------
Link:
Comments
herivola 915 ( 22/12/2017 15:32)
miala tsiny avy hatrany amin'ny fandisona
tsipelina
fanele ( 06/05/2018 18:02)
mlay rah nga tohiz eee
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Odyai
Hits : 23102
Likes : 3 Like
Created by : herivola 915
Date : 22/12/2017 15:23
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0833